« Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany rehetra ?
Iza no mampikoriana ny renirano ?
Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny fiainana satria ny tsara indrindra no mendrika ho anao sady voaomana ho anao.
Mifikira amin'ny izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany.
Amena
Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy.
Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy ho sasatra foana.
Ny vava izay hanonona ny Amena aorian'ity vavaka ity, hitsiky mandrakariva.
Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !
Tsy anjavona ny nofinao.
Tsy ho rava ny fikasanao.
Tsy ho foana ny anjaranao.
Vavaka ho anao androany
Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i Jesosy;
Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana alohan'ny faran'ity volana ity.
Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.
Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mi tondra rano maloto mody.
Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.
Ny fahasoavan'ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao,
hampaharitra ary hanome izay rehatra ilainao,
araka ny hareny ao amin'ny voninahitra.
Amena
Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny anaran'i Jesosy.
Ny sitrapon'Andriamanitra anie
tsy hitondra anao na oviana na oviana any amin'izay tsy hahitanao fahasoavana sy fiarovana.
Hisy zava-tsoa ho tonga aminao androany, zavatra izay efa nantenainao.
Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary hampandroso ny fiainanao amin-kery ny asan'Andriamanitra tsy azo sakanana.
Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny anaran'i Jesosy.
Gaga ve ianao hoe nandefasanay ity hafatra ity ?
Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny lanitra izahay,
ary nanontany anay Andriamanitra :
- "Anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"
Dia hoy izahay hoe :
- "Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"
Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe :
- "Tanteraka ny hatakareo"
Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.


